Talata 16 Septambra
Mino izahay sady mahafantatra fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra.—Jaona 6:69.
Tsy nivadika ny apostoly Petera. Tsy nisy navelany hahatonga azy hilavo lefona tanteraka. Noporofoiny, indray mandeha, hoe tsy nivadika izy, rehefa nilaza zavatra tsy azon’ny mpianany i Jesosy. (Jaona 6:68) Tsy mba nanontany ny maro tamin’ny mpianany, fa tonga dia tsy nanara-dia an’i Jesosy intsony. Tsy hoatr’izany anefa i Petera. Niaiky izy hoe ny ‘teny lazain’i Jesosy’ ihany “no hahazoana fiainana mandrakizay.” Fantatr’i Jesosy hoe handao azy i Petera sy ny apostoly hafa, ny alina talohan’ny nahafatesany. Na izany aza, dia nilaza taminy i Jesosy fa natoky izy hoe ho tafarina i Petera, ary hahavita tsy hivadika mihitsy. (Lioka 22:31, 32) Azony mantsy hoe “mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.” (Mar. 14:38) Tsy nanary an’i Petera àry i Jesosy, na dia nanda ho tsy nahafantatra azy aza izy. Niseho taminy i Jesosy rehefa avy natsangana tamin’ny maty, ary azo inoana hoe i Petera irery no teo. (Mar. 16:7; Lioka 24:34; 1 Kor. 15:5) Tsy maintsy hoe nampahery an’io apostoly efa torotoro fo io izany! w23.09 22 § 9-10
Alarobia 17 Septambra
Sambatra izay voavela ny helony, ary voasarona ny fahotany.—Rom. 4:7.
Mamela na manarona ny fahotan’izay maneho finoana azy Andriamanitra. Avelany tanteraka ny helok’izy ireo, ary tsy isainy intsony izany. (Sal. 32:1, 2) Tsy meloka àry ny fahitan’Andriamanitra azy ireo, ary ekeny ho olo-marina izy noho ny finoany. Mbola tsy lavorary sy mpanota ihany i Abrahama sy Davida ary ny olona tsy nivadika hafa, na dia nambara hoe olo-marina aza. Tsy manan-tsiny anefa ny fahitan’Andriamanitra azy ireo noho izy nanam-pinoana, indrindra raha noharina tamin’ny olona tsy nanompo azy. (Efes. 2:12) Nolazain’ny apostoly Paoly mazava tsara ao amin’ny taratasiny hoe tena ilaina ny finoana raha te hifandray akaiky amin’Andriamanitra. Marina izany rehefa jerena ny tantaran’i Abrahama sy Davida, ary mbola hoatr’izany koa amintsika. w23.12 3 § 6-7
Alakamisy 18 Septambra
Manaova foana sorona fiderana ho an’Andriamanitra ..., izany hoe vokatry ny molotra, ka resaho amin’ny hafa ny momba ny anarany.—Heb. 13:15.
Manana tombontsoa hanolotra sorona ho an’i Jehovah ny Kristianina rehetra amin’izao. Manao an’izany ry zareo rehefa mampiasa ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany, mba hampandrosoana ny asan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ahoana no ampisehoantsika hoe ankamamiantsika ilay tombontsoa hanompo an’i Jehovah? Izay sorona tsara indrindra no atolotsika ho azy. Nanasongadina lafiny samihafa amin’ny fanompoana tsy tokony hataontsika tsirambina mihitsy ny apostoly Paoly. (Heb. 10:22-25) Ohatra hoe mila manatona an’i Jehovah amin’ny vavaka isika, manambara amin’ny rehetra ny fanantenantsika, miara-mivory amin’ny fiangonana, ary mifampahery. ‘Vao mainka tokony hanao an’izany isika, satria hitantsika fa mihamanakaiky ilay andron’i [Jehovah].’ Rehefa hifarana koa ny bokin’ny Apokalypsy, dia indroa ilay anjelin’i Jehovah no nanamafy hoe “Andriamanitra no ivavaho!” (Apok. 19:10; 22:9) Enga anie tsy hohadinointsika mihitsy izany fahamarinana lalina momba an’ilay tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah izany. Ary enga anie hankamamiantsika foana ny tombontsoa hanompo an’ilay Andriamanitsika be voninahitra! w23.10 29 § 17-18